You are here: home > Vetso

MATOANTENY MPIFANAO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





MATOANTENY MPIFANAO





Matoanteny mpifanao
toy ny hoe : mifankatia
no mamintsika ka andao
hifampitantana ho doria.




Matoanteny mpifanao
toy ny hoe : mifanohana
no efa navoitra tao ho ao
sy mbola eto ifantohana.




Matoanteny mpifanao
toy ny hoe : mifanadala
no maharavo ka anjakao
ny foko kely tsy te hiala.




Matoanteny mpifanao
toy ny hoe : mifanasoa
no tiako izany tsy ho lao,
hisy foana amintsika roa.




Fredy JAOFERA