You are here: home > Vetso

MATY HO AZY MORAMORA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



MATY HO AZY MORAMORA





Maty ho azy moramora
'reo tsy mamaky boky,
na tsy eo migoragora
ny tontolo feno toky.




Maty ho azy moramora
'reo tsy afa-mihirahira,
na mangidy aza ny ora
sy injao mamiravira !




Maty ho azy moramora
'reo tsy tia mihomehy,
na mbola be ny akora
mahamanja ny tarehy.




Maty ho azy moramora
'reo tsy mahafinaritra
mbola izy vao tanora
no zavatra tsikaritra.




Fredy JAOFERA
.