MAZAVA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAZAVA




Mazava amin’izay
‘zao hoe haratsiany
mbola hita ho nivay
sy feno habibiany.



Mazava amin’izay
‘ty sarotsaronany,
nandrehitra indray
ny tena fialonany.



Mazava amin’izay
ny tsy nety nataony
sy nitondrany fanday
tamin'ireny lalaony.



Koa aoka aho handeha
hiala amin’ireny
fa nahatezitra ahy re
sy toa lavareny.



Aoka aho mba hisintaka
no tsy hifampitady,
fa tsy loha ny mamitaka
ka sao hampiady !



Aoka aho mba hanainga
no tsy hifanadala
fa tsy ahy ’tony lainga
raha te ho malala.




Fredy JAOFERA
.
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo - fiainana
1202 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0207