You are here: home > Vetso

MBA IRIKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

MBA IRIKO





Mba iriko ho anao
izay iriko ho ahy :
ho taom-baovao
misy Ray mitahy.


Mba iriko ho anao
izay irin’ny olona :
ho ny soa lava izao
no avy hamololona.




Mba iriko ho anao,
izay irin’ny maro :
ho ny tsara ao ho ao
no eny tsy hifangaro.




Mba iriko ho anao
izay irin’ny mpaniry
ho ny mamy ka zahao
fa saotsaotra makadiry.






Fredy JAOFERA

Sokajy : Fety, Fifaliana

Hametraka hevitra

Midira aloha