MBETIKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBETIKA





Mbetika aho mahatsiaro,
mbetika aho mamely
fa misy mifangaro
ny ngidy sy tantely.




Mbetika aho mitady,
mbetika aho mamoy
fa misy ireny voady
any foana sy mitohy.




Mbetika aho te ho any,
mbetika aho variana
fa manina eny ihany
rehefa mba tsy tiana.




Mbetika aho manahy,
mbetika aho matoky
fa nambabo ny fanahy
raha ory sy mamoky !





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Hanina - Fiononana - Alahelo - Fitiavana
1304 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.011