MBOLA IANAO IRERY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA IANAO IRERY




Mbola ianao irery
no nofiko ombieny
haneho fa mahery
ilay fitia lavareny.



Mbola ianao irery
no oroka mangina
tsy mba mamery
feno hamamiana.



Mbola ianao irery
no tian'ny fiainako
hampiova ny fery
tsy ho tarainako.



Mbola ianao irery
no fananako foana,
hoy aho tsy miery
fa inty manoloana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
191 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 11/08/2024 06:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3245