MBOLA TIAKO IZY INY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA TIAKO IZY INY




Mbola tiako izy iny,
ataovy tsara an-tsaina,
na tsy izany no iriny,
hoy aho, vao maraina.



Mbola tiako izy iny,
na efa nikopaka tokoa ;
izay re no hafaliany
ka atao ahoana moa ?



Mbola tiako izy iny
fa manan-tsiky mamy
nanova ankehitriny
ka ilaiko ery ho tamy.



Mbola tiako izy iny
hiainana hasambarana
fa mifoha ny fahiny
toy ny zavatra nafarana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
631 1
Fans: Hianja
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 14/01/2025 11:56
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121