You are here: home > Vetso

MENA-NAHOSO-BATO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




MENA-NAHOSO-BATO





Mena-nahoso-bato
'tony fifanatonana
ka io tsangambato
ny fiavonavonana.




Mena-nahoso-bato
'reo fifandraisana
nataoko tsy hiato
ka nahita faisana.




Mena-nahoso-bato
ny fampihavanana
nodradraina in-jato
hivatsy fiadanana.




Mena-nahoso-bato
'lay fifankatiavana
nanipazana harato
fa nanavangavana.




Fredy JAOFERA




Hametraka hevitra

Midira aloha