You are here: home > Vetso

MENAKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




MENAKA





Mena-nahoso-bato
ny fananarana azy
raha reraka in-jato
sy lany vazivazy.




Mena-nahoso-bato
ny teny soa nafafy
nanitsy tato ho ato
mbola tsy hihafy.




Mena-nahoso-bato
ny hasasarana azo
ka injao tsy miato
ny nenina sy tazo.




Mena-nahoso-bato
ny hevitra naranga
ka rovitra ny arato,
ny ora re ka banga.




Fredy JAOFERA





Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 06/08/2020
Mpamangy : 186
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO
FISARAHANA
LALINA
NY FANANAM-PAHATSORANA
NY FANGINANA