METEZA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
METEZA




Meteza, ry vorona,
ny hitazantazana azy
ka aza manamorona
fa mody hoe : fohazy.



Meteza, ry farihy,
ny hiandriandry eo
ka velomy re ny dihy
vao drodroka sy leo.



Meteza, ry rano,
ny hitony lavareny ;
voady ka mba tano
izy iny fa tsy reny.



Meteza, ry tany,
ny hihirahira kely,
ho azy irery ihany
ny vetso izay miely.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
997 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4709