MIDONA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIDONA




Raha averiko eto ireny Lasa tsy nitoetra
mipolololotra ho azy ny sento nampitsetra ;
mamolivoly izany ka izay hita sy tazanina
mamoaka vetivety ny embona sy hanina.



Dia eritreritra miserana, rivodrivotra madio
no mitondra ny alahelo misy ratra...Tadidio !
Fahanginana hafahafa no iny mampahatsiaro
ny sangisangy, kalokalo na ny tebiteby maro.



Bitsibitsika malefaka no manaitaitra etoana
mamerina tomany sy mampirediredy foana ;
mamelona indray ireny fery izay tsy zaka
manambara lava fa toy ny voan'ny daka !



Hetaheta hatrany sy mbola mamy loatra
ny hikaroka eto ireo izay any an-koatra ;
nofifofy adala natao tsotra hanoratana
fa mbola sarobidy, na tsy hita vatana.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1223 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116