MIERITRERITRA AHY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIERITRERITRA AHY




Mieritreritra ahy ianao
ka tsy mitsaha-mievina
tampoka teo no natao,
na efa tantara milevina.



Mieritreritra ahy ianao,
toa te hihaona vetivety
fa anio dia efa nandao
ny hafaliana izay nitety.



Mieritreritra ahy ianao,
mitaditady hiresahana
fa dia oriory lava izao
tsy mahita hiarahana.



Mieritreritra ahy ianao,
voan'ny nenina marary
fa ny anarako re, fafao
ka aza avela hiharihary.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
583 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0192