MIEZAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIEZAKA



Miezaka aho handihy mba ho vizana sy reraka
kanefa aho, malala, toa tsy afa-po tanteraka ;
miezaka aho hiravo, hihoby hatrany hatrany
kanefa aho indraindray mandrotsaka tomany ;
miezaka aho hitsinjaka, na ahoana na ahoana
kanefa aho, ry tiako, tsy mety faly foana ;
miezaka aho hihira no sady tsy hahatsiaro
kanefa toa tsy mety ka tsarovy na fantaro ;
miezaka aho, ry mamiko, hitady izay atao
kanefa izany foko, malahelo foana anao.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
1543 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0109