You are here: home > Vetso

MIHIRA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





MIHIRA





Mihira aho hamafana
alahelo irina hihelina
mikiky foana tsy tana
no eto manelingelina.




Mihira aho hamafana
sedra tsy hay ambara
miaro ery ho tamana
toa hatrany am-para.




Mihira aho hamafana
ratra mandrera-tsaina
nokendrena horavana
kanefa mbola miaina.




Mihira aho hamafana
ady tsy ilaina intsony
izay nampihanahana
sy nataoko tsy hitony.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha