MIHOMEHY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIHOMEHY





Misy foana mihomehy
ny fahorian'ny hafa
amin'izay rehetra aleha
fa tsy tia mamafa.




Misy foana mihomehy
ireny zioga azony
fa tsy manampy ange
hanova ny tazony.




Misy foana mihomehy
ireo marary anao
fa tsy misento kely re
ka olona ihataho.




Misy foana mihomehy
rehefa faharesena
fa tsy mahay manome
lalam-pandresena.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
332 0
Commentaires
Mara30 ( 23/05/2026 04:50)
Tonokalo mapalahelo
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116