MILA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MILA




Mila fanarenana
ny tanindrazantsika
ka aza anafenana
'rony soa baliaka.



Mila fanambinana
ny fiainam-pirenena
ka aza anankinana
'zay fitiavan-tena.



Mila fanavaozana
ny fo amam-panahy
ka tsara hilaozana
ny ratsy re, ry lahy.



Mila fanadiovana
ny diavina rehetra
ka izay andalovana
hahafaly tsisy fetra.



Mila fanamboarana
ny lalana efa simba
hampisy fivoarana,
n'aiza ny hikirimba.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
886 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122