MILA ANAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MILA ANAO





Mila anao anio
ny ora misosa
ka avia ampio
hisy ny tontosa.




Mila anao anio
ny andro tsotra
ka 'ndao tariho
ny mipololotra.




Mila anao anio
ny fitia mahery
ka avia re, asio
tsiky fa tsy fery.




Mila anao anio
ny toky moana
ka hajao, itafio
fa mijoro foana.





Fredy JAOFERA
'
--------
Lien:
199 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0128