MILAZA DAHOLO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MILAZA DAHOLO





Milaza daholo
ho tia tanindrazana
‘reo nahazo seza,
“mamono lolo”
hoe tena mazana
no sady ngeza.



Milaza daholo
ny hahavita zavatra
‘reto voafidy,
Ka dia nanolo
izay efa taratra
fa sarobidy.



Milaza daholo
ho tsy azo kianina
‘reto “ lehibe”,
nefa im-polo
no nahafanina
ny vitany re !



Milaza daholo
ho mahavaha olana
‘zay mikabary,
nefa tontolo
toa tsisy volana
no hita mihary.



Milaza daholo
ho afaka hanova
‘zay tonga eo,
mahakolokolo
fa tany efa lova
nefa jereo !...





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1336 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119