MIPOAKA NY VARATRA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIPOAKA NY VARATRA




Mipoaka ny varatra
ka latsaka ny orana ;
ny ainga no miakatra
ka soratra no izorana.



Mipoaka ny varatra
ka embona no feno ;
tsy mba mitsahatra
ka injao mbola heno.



Mipoaka ny varatra
ka manina eto irery ;
tsy ilaiko mitaratra
ny tselatra mahery.



Mipoaka ny varatra
ka tsaroana ny any ;
inona re ity mihatra
fa tonga ny tomany ?




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
209 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/06/2023 22:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735