MISAMBOARAVOARA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISAMBOARAVOARA Misamboaravoara
ny alaheloko izany
ka tsy hita voarara
itony rotsa-tomany.
Misamboaravoara
ny androko etoana
ka tsy mahita tsara
ny tena hirosoana.
Misamboaravoara
ny fiainako marina
ka mitondra anjara
toa saro-pantarina.
Misamboaravoara
ny fitiavako anao
ka nanjary niafara
ho kalo tao ho ao.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana