MISAOTRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISAOTRA





Misaotra nandratra
ny foko izay nitady
fa mafy no nihatra
ka anio re mivoady.




Misaotra nandrava
ny toky nantenaina
fa tsy ninoana lava
ny vita raha lazaina.




Misaotra nanimba
ny anjara nitokiana
sy namimbazimba
fa nitera-panahiana.




Misaotra nankahala
ny tigetrako hatrizay ;
Izaho no tena adala
nankany ka dia fay.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
176 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.086