You are here: home > Vetso

MISAOTRA NY MARAINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






MISAOTRA NY MARAINA





Misaotra ny maraina
mitrotro ny hafaliana
ka tiako harahabaina
mbola hisy fitahiana.




Misaotra ny maraina
maneho ny hatsarana
mazava tsy hazavaina
mamoha fanantenana.




Misaotra ny maraina
isan'andro vaky izao
mamelombelona aina
mitory adidy vaovao.




Misaotra ny maraina
mandroso fiadanana
tsy avy hampalaina
no teny famaranana.




Fredy JAOFERA







Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 19/05/2022
Mpamangy : 101
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

HONTSA LAVA
TSY AMINAO
ANDRAIKITRA
MIAFINA
MANOVA TENY
TOY NY TANTELY
LELA
TENY KELY
HAZO NGEZA
VALINY TSARA