MISAVILY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISAVILY





Misavily
ny andro sy ny ora
handalo 
ka mitily
sao dia hatsora
ny kalo.




Misavily
ny soa sy ny tsara
hitoetra
ka mamily
amin'izay anjara
no fetra.




Misavily
ny fo sy ny saina
ho any
ka avily
fa dia nanaintaina,
ry tany !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1109 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118