You are here: home > Vetso

MISY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





MISY





Misy masoandro
fa mangatsiaka
ny tontolo andro
tsy iarahantsika.




Misy haravoana
fa mangingina
rehefa tsaroana
'reo nihafiana.




Misy andraikitra
fa manimanina
rehefa miraikitra
ka valalanina !




Misy fo mivazo
fa mihenahena
rehefa tsy azo
ny ilain'ny tena.





Fredy JAOFERA