MISY BANGA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY BANGA



Ny andro no sendra manjombona
ka tsy hita izay tokony hitranga ;
ny saiko no toa tsy mitombona
fa ny fiainako no misy banga.


'Reo tretrika no afa-miangoty
fa manana an'Ikaky sy Neny
f'izaho kosa dia efa kamboty
ka malomamoka sy tsy miteny.


'Reo faly no afa-mangataka
raha misy ny zavatra irina ;
ny ahy kosa dia ranombavaka
no indro vetsoiko mangina.


'Reo manana no afa-mitaraina
raha sendra ka tratra ny voina
f'izaho kosa, tonga dia maina :
tsy manana olon-kantsoina.


Ry vorona ô !...Mba ento
fa manorana ny aty aminay ;
ny foko no sendra nisento
fa any ireo mandrakizay.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1155 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012