MISY FOANA PENINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY FOANA PENINA




Misy foana penina
anoratana ho anao,
na dia tsy tenenina
ny misy amin'izao.



Misy foana penina
mitondra fitiavana
mbola tsy afenina
fa tsy fandavana.



Misy foana penina
manafatra hihaona,
na olona badenina
fony nanan-tsaona.



Misy foana penina
milaza ny tsy zaka
sao dia ho nenina
rehefa lalim-paka.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
161 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123