MISY OLONA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY OLONA





Misy olona tsy faly
mahita anao misondrotra,
mahatsiaro mijaly
ka ny misy, tiany hiongotra.




Misy olona tsy faly
mahita anao ho metimety
manova ny omaly
ho fahombiazana sy fety.




Misy olona tsy faly
mahita anao ho tony foana,
tsy mba te hamaly
rehefa sendra tafahaona.




Misy olona tsy faly
mahita anao ho sambatra
sy mitahiry antsaly,
hoy aho re tsy miambatra.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
432 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115