You are here: home > Vetso

MISY TADIDY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



MISY TADIDY





Misy tadidy
mamoaka tomany
tsy nofinidy
hizotra eto ihany.




Misy tadidy
mamoha fitserana
tia mandidy
mba haka toerana.




Misy tadidy
tsy levon'ny taona
tonga adidy
zary mampihaona.




Misy tadidy
tsy nirina hitranga
fa dia ngidy
tototra ora banga !




Fredy JAOFERA