MISY TIA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY TIA





Misy tia
mahita anao manahy,
miriaria
vao voa 'ty fanahy !





Misy tia
mahita anao mijaly
sy minia
mangina raha mifaly.




Misy tia
mahita anao mivena
ka mahia
vao tojo fandresena.




Misy tia
mahita anao mianjera
ka handia
ny taona mangorera.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
900 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115