You are here: home > Vetso

MISY TSY MAHAZAKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



MISY TSY MAHAZAKA





Misy tsy mahazaka
mahita anao mifaly
ka te handefa daka
rehefa avy hamaly.




Misy tsy mahazaka
mahita anao mihira
ka tsy mahay maka
ny fo voaviravira.




Misy tsy mahazaka
mahita anao mitory
ka indro re fa vaka
sy manan-tsorisory.




Misy tsy mahazaka
mahita anao mijoro
ka tia mamakafaka
fa miaina horohoro.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha