MISY TSY MITENY... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY TSY MITENY...




Misy tsy miteny
raha tsy hifosa,
izany no volena
mbola hiavosa.



Misy tsy miteny
raha tsy hamely,
izany tsy fefeny
ka misento kely.



Misy tsy miteny
raha tsy hitsara,
izany no omeny
hanimba anjara.



Misy tsy miteny
raha tsy hamery,
izany no babeny
fa dia rako-pery.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
455 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126