MITAMBERINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITAMBERINA




Mitamberina indray
ny ela nohadinoina,
mamoha sento izay
toa sarotra vonoina.



Mitamberina indray
ny lasantsika maro
mahory indraindray
rehefa mahatsiaro.



Mitamberina indray
ny voady nahaliana
hany afa-nampiray
antsika tsy zoviana.



Mitamberina indray
ny nofinofy nonina
ka toa nampivaivay
fitia fa tsy foronina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
176 1
Mpakafy: Rosemalala
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 17/05/2025 07:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0148