MITARAINA AMIN'NY TANINY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITARAINA AMIN'NY TANINY





Mitaraina amin'ny taniny
ny Malagasy, miala tsiny,
fa mba zavatra tsy laniny
ny fahoriany ankehitriny.




Mitaraina amin'ny taniny
fa miaina fahasahiranana,
ravaravana itony akaniny
tsy higoka 'zay fiadanana.




Mitaraina amin'ny taniny
fa ny zavatra midangana
ka ketraka etsy an-daniny
no sady mila ho mangana.




Mitaraina amin'ny taniny
fa tsy mandry fahalemana
ka maro be ireo tomaniny
lasa ho azy tsy nolemana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
707 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117