MIVAIVAY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIVAIVAYMalahelo anao aho,
malahelo anao raha tsy mirana
ka tonga ho azy ny sentosento
raha hafahafa ka avia re, ento !
Malahelo anao aho,
malahelo anao ka manahirana
izany miaina eto am-pitoniana
fa mamely lava ilay fanahiana.
Malahelo anao aho,
malahelo anao ka nandosirana
ny tabataba tsy mahasambatra
sy ny mozika rehefa atambatra.
Malahelo anao aho,
malahelo anao ka ny ifikirana
dia ilay fitia tsaroana nampiray
efa nialana fa mbola mivaivay.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
