MIVERINA IHANY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIVERINA IHANYMiverina ihany,
tsaroana indray
fa tsy hanihany
ny ela nampiray.
Miverina ihany
ny alahelo mafy
mitady tomany
sy mbola atafy.
Miverina ihany
ka saro-bonoina
ny toky tsy lany
sy nohadinoina.
Miverina ihany
ka mahasariaka,
na efa rava any
ny fitiavantsika.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
