MOA HO TAHAKA IZAO ? (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MOA HO TAHAKA IZAO ?





Moa ho tahaka izao
ny fiavin'ny maraina
raha tambitambinao
no toky nantenaina ?




Moa ho tahaka izao
ny fisehon'ny tontolo
raha 'zay hirahira tao
namelona ahy daholo ?




Moa ho tahaka izao
ny fihiratry ny tsara
raha tsisy iray nandao
'reo raozy soa tantara ?




Moa ho tahaka izao
ny fiovan'ny hafaliako
raha mba navela ho lao
'reo aloka tsy tiako ?





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1039 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116