NA DIA KELY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA DIA KELY





Tsy mihena, na dia kely
'zay lanjan'ny fitiavana
fa miombo sy modely, 
na nahazo fandavana.




Tsy miova, na dia kely
'zay lokom-pitokisana
fa kanto toy ny angely
sy mbola nanofisana.




Tsy miato, na dia kely
'zay hiran'ny tantara
fa mainka aza hiely
sy mbola hihatsara.




Tsy maty, na dia kely
'zay sangisangy tiana
fa mainka aza hively
ny soa am-pitsikiana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
728 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 16/06/2016 09:55
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015