NA DIA MISY AZA... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA DIA MISY AZA...






Na dia misy aza ny mampandrahona ny fiainako
ka tsy ahafahako mibitaka na mbola hifalifaly,
tsy ho resy akory na ho ketraka ny fisainako
fa miezaka ombieny ny hanala itony jaly.




Na dia misy aza ny alahelo mamatotra ny foko
ka tsy ahafahako mitsiky na mihirahira hatrany,
mbola hisy fetra ange ireo ranomaso na toloko,
na ahoana na ahoana sy raha tany koa ny tany.




Na dia misy aza ny mampangidy izato vavako
ka tsy ahafahako migoka ireny fahasambarana,
mbola ianao irery no nofinofy re, rahavako,
Hanafoana izany mba hanam-pitsaharana.









Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
803 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 30/04/2009 09:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155