NA NAMPISARAKA AZA...(3) (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA NAMPISARAKA AZA...Nampisaraka aza
ny fiainana
dia mbola sahaza
ny fisainana.
Na nampisaraka aza
ny tantara
dia mbola te hilaza
fa anjara.
Na nampisaraka aza
ilay safidy
dia mila hivazavaza,
na mihidy.
Na nampisaraka aza
ny rehetra
dia ho hitanao halaza
itony tsetra.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
