NALEONAO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NALEONAO Naleonao ny tany
toy izay ny aty
ka aza manontany
ny mahory ery.
Naleonao ny tany,
n'inona lazaina,
manam-piafarany
izao ka zakaina.
Naleonao ny tany
ka irery etoana ;
maso kotsa ihany
no isentoana.
Naleonao ny tany
ka ekeko ange ;
lasalasa ny vinany :
mitaditady re.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana