NAMOHA AHIAHY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMOHA AHIAHY Namoha ahiahy
itony toepanahy
ka nampihataka,
na tsy nangataka.
Namoha ahiahy
rehefa nahasahy
nanambany lava
nahakivy ny tava.
Namoha ahiahy
rehefa tsy niahy
ka namela ho ory
teny ka fotory !
Namoha ahiahy
mbola tsy nahy
rehefa nandavo,
na nanjavozavo.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy