NAMOHEHATRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMOHEHATRA





Ny baomba sa grenady
no napoaka, aza fady ?
Namohehatra, indrisy,
ny fomba izay misy.




Fety ange ny andro
nefa dia tsy mitandro
ny mba mahafinaritra
no hita sy tsy aritra.




Mafy ve ny fiainana,
ka tsy hita itarainana
raha ny rà mandriaka
no ity nampijininika ?




Na maro ny tsy zaka
efa indro lalim-paka,
tsy izay no ala olana
hahitana diavolana.




Ento foana am-bavaka,
sady ataovy miavaka
ny mafy izay mitoetra
mila tsy hanam-petra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1188 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119