NAMPIVANDRAVANDRA (2) (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMPIVANDRAVANDRA





Taiza no nisy volana tahaka izao 
ka toa mahafinaritra eo imasonao
nefa vao mitodika fotsiny kosa,
ny latsa sy eso no heno misosa ?




Maniratsira no takatry ny vavany,
mankaleo ahy mahita ny tavany,
aza miteny lango imason'ny vary
na milaza anaka raha mankarary.




Aleo mankahala fa tsy mody tia,
ny toy ireny no nandrava ny dia,
'zany fitiavany tsy hita intsony
sady miebo ho vokatry ny fony.




Raha iny no antsoina ho volana,
ho afa-baraka sy hiteraka olana 
ka aleo aho handeha amin'izay
fa ny sentoko ity, tonga indray.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
806 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0137