NANAHIRANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANAHIRANA





Nanahirana ahy ianao
fony nahazo ranomaso
ka very avy ireo lalao
fa nitranga ny ankaso.




Nanahirana ahy ianao
fony nitady famonjena
ka hafahafa tao ho ao,
nambara ho hafetsena.




Nanahirana ahy ianao
fony tebiteby goavana
ka tsy nety izay natao,
na nisy ny fitiavana !




Nanahirana ahy ianao
fony azom-pahoriana
ka naleoko re nandao
fa tsy nety nitokiana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
944 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0129