NANALAVITRA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANALAVITRA Nanalavitra ahy
ianao ankehitriny
ka ao ny ahiahy,
aza omena tsiny.
Nanalavitra ahy
nanadino antsika
ka zakaina, lahy,
ny eto tsy mikiaka.
Nanalavitra ahy,
nihevitra ny hiova
nefa ity fanahy,
tsy nahay nandova.
Nanalavitra ahy
hikatsaka ny soa
kanefa ny niahy
nanimba raha voa.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana