NANAVESA-PIAINANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANAVESA-PIAINANANanavesa-piainana
ka tojo fahalainana
ny foko hamangy
fa tsy sangisangy.
Nanavesa-piainana
ka ny fanaintainana
no velona indray
mbola mamaivay.
Nanavesa-piainana
ka tsy dia fisainana
ny hanoratra any
fa halako izany.
Nanavesa-piainana
ka saro-nitarainana
fony ketraka aho
sy ory lava izao.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
ahy - Fiononana - embona - fananarana - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy