NANDISO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANDISO





Nandiso ny fanantenana
ny tany ka kivy tanteraka
matoa izy ireo ka nialana
fa tena olo-nandreraka.




Nandiso ny fieritreretana
ka aoka aho hihatakataka
fa mafy ny zava-niaretana
saingy voaovan'ny vavaka.




Nandiso ny fahatokisana
ka aoka re mba hisintaka
fa tsy any no nanofisana
ny soa tiana hampibitaka.




Nandiso na ny fahalalana
ka nahabe ny fahavoazana
fa hatramin'ny fahazazana,
ny ratsy no voa notoazana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
891 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113