You are here: home > Vetso

NANDRITRA NY NITIAVAKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





NANDRITRA NY NITIAVAKO





Nandritra ny nitiavako,
nahazo latsa aho ange,
nanamaloka ny tavako
teny amin'izay naleha.




Nandritra ny nitiavako,
nohamaivanina tokoa,
sasa-poana ny vavako
ka tsy hita ho namoa.




Nandritra ny nitiavako,
tsy nivatsy fihavanana
fa nanaraby ny havako
tsy hahalala fiadanana.




Nandritra ny nitiavako,
tsy mba afa-nantenaina,
na teo aza ny finiavako
nihavao isa-maraina.




Fredy JAOFERA