You are here: home > Vetso

NANEFY NY TOETRAKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




NANEFY NY TOETRAKO





Ny sedra nipoipoitra
maro tsy voafetrako,
na dia nitanjozotra,
nanefy ny toetrako.




Ny ratra nofafazana
nahory ny rehetrako,
na dia efa tsy tazana,
nanefy ny toetrako.




Ny ngidy tsy nirina
nanafy ny tigetrako,
na tototra habibiana,
nanefy ny toetrako.




Ny ady nampahory
sy 'zay pararetrako,
na tsy nitondra tory,
nanefy ny toetrako.




Fredy JAOFERA








Hametraka hevitra

Midira aloha