You are here: home > Vetso

NARARY AHY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






NARARY AHY





Narary ahy ny vava
tsy hainy natsahatra
ka tsy nisy mazava
ny anjara sy lahatra.




Narary ahy ny teny
nanindrona marina
ka moana ombieny
fa satriny hivarina.




Narary ahy ny fosa
namono ny kintako
ka nandositra kosa
fa ratsy ny vintako.




Narary ahy ny ady
tsy tiany naravona
ka nanao aza fady
fa olona miavona.




Fredy JAOFERA